Blog

Nodimandry i RANDRIANOME Marth Angelin

FODIAMANDRY
Banga ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety.
Nodimandry ny harivan’ny alahady 17 jolay teo amin’ny faha 37 taonany i GARRY, mpanao gazetin’ny radio Kaleta Amboasary Atsimo. RANDRIANOME Marth Angelin no tena anarany.

Notsaboina elaela ihany izy, izao nindaosin’ny fahafatesana izao.
Maneho fiaraha-miory, mankahery ny fianakaviany sy ny mpiara-miasa akaiky aminy, ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara.
© Alain TEFIMBOLA, VP OJM Anôsy