Banga iray ny fianakaviamben’ny mpanao gazety. Nodimandry teo amin’ny faha-62 taonany, ny 28 febroary 2023 Raliasoa Justin, antsoina hoe Longoraly, zanak’Androy.
Teraka ny 6 avril 1961, manambady manan-janaka 6 mianadahy.

Niantsehatra 27 taona teo @ haino aman-jery tany amin’ny faritra Bongolava, taorian’ny nahavitany ny fianarany teny @ anjerimanontolo.
Mpanentana, mpanao gazety ary mpamokatra fandaharana.

Radio efa niasany: Radio Bongolava, Radio Mazavaloha, Mah Radio, Ibc Tsididy, ary Tsiroanomandidy Radio.

Mpanakanto ihany koa izy: efa mpandihy tao amin’ny tarika SALALA fony mbola nianatra teny @ anjerimanontolo. Avy eo nanana ny tarika, azy manokana tany Bongolava, TRIO LYRAS (mivoy ny accapela). Efa managern’ny tarika Mamisa ary mpikambana ao amin’ny LEZAFY SY NY FORONGONY.
Mirary fiononana sy mankahery ny fianakaviany sy ireo akaiky azy ny OJM.
Soratra sy sary : nalaina tamin’ny rindrin’ny mpanao gazety, faritra Bongolava.