Blog

Nodimandry ny Mpanao Gazety Ony RAMBELO

Nodimandry ny 12 jolay 2022 alina, ny mpanao gazety sady mpanentana fandaharana Ony RAMBELO.

Tao amin’ny onjam-peo Iarivo Radio sy ny onjam-peo RDJ no nahafantarana azy. Mbola nitantana ny Olondia corporation, ahitana « site web » telo, Délire Madagascar, Journal Madagascar, Canalnews Madagascar sy ireo gazety an-tsoratra Marikoditra sy sékré Détà ihany koa izy.
Fahatapahana lalan-drà no voalaza ho nidirany hopitaly ny fiandohan’ny volana avrily 2022, nahatonga azy tsy nahatsiaro tena tamin’io, raha tsiahivina.
Mirary fiononana feno ho an’ireo mpiara-miasa akaiky aminy sy ny fianakaviany, ireo tapaka sy namany, izahay eto amin’ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara.
Mandria am-piadanana Ony RAMBELO.
Sary indrana.