Blog

Ny asa fanaovan-gazety sy ny fiarovana ny tontolo iainana

Mpanao gazety 14 ao anatin’ny faritra Menabe no nanaraka fiofanana momba ny asa fanaovan-gazety fanadihadiana lalina, na « journalisme d’investigation », miompana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.

Naharitra volana maro ny fiofanana, izay nahitana fanamafisana fahaiza-manao narahana fampiharana eny ifotony, namokarana fandaharana sy fanentanana. Niompana tamin’ny fiarovana ny faritra arovana Menabe Antimena ny ankamaroan’ireo fandaharana novokarina tamin’izany.

Fiofanana izay nositrahana tao anatin’ny fanatanterahana ny tetikasa USAID Hay Tao, tamin’ny alalan’ny Alliance Voahary Gasy.
Nozaraina ny alakamisy 7 avrily 2022 ny mari-pankasitrahana, ny amin’ny fahavitan’ny fiofanana.

[aigpl-gallery id= »14363″]

Le journalisme et la protection de l’environnement
Ils sont 14, à avoir suivi une formation en journalisme d’investigation lié à la protection de l’environnement pendant plusieurs mois. Ils, ce sont les journalistes de la région du Menabe, qui ont bénéficié d’une série de renforcements de capacités théoriques, suivis de pratiques sur terrain, afin de produire des émissions et des articles, axés notamment sur la conservation de la forêt du Menabe Antimena. L’initiative s’inscrit dans la mise en œuvre du projet USAID Hay Tao, à travers l’Alliance Voahary Gasy.
Les 14 journalistes se sont vus remettre leurs certificats de fin de formation, jeudi 7 avril 2022.
Photos : AVG