Blog

OJM Itasy : Voafaritra ny fandaharam-potoana 3 may.

Nivory nanomana ny 3 may, « Andro maneran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety » ireo mpanao gazety anatin’ny faritra Itasy, ny sabotsy 16 aprily 2022.

EFA VONONA NY OJM ITASY

Nanaiky ny fandaharam-potoana izay efa novolavolain’ny biraon’ny OJM Itasy ireo solontenan’ny radio tonga nivory. Iray tamin’ireo radio misy any an-toerana no tsy nahatonga solontena dia ny radio Solanga Imerintsiatosika.

Toy izao ny ho fizotry ny fankalazana :
ALAHADY 1may : Fitadiavam-bola, « grand spectacle » Ny AINGA « grand complet » ny tolakandro manomboka amin’ny roa ora.
ALATSINAINY 02 may : amin’ny roa ora tolakandro, fivoriam-be OJM Itasy, fampahafantarana ny mpikambana ao amin’ny birao. Tatitry ny vokatry ny « grand spectacle ».
Fametrahana vinan’asa fohy ezaka sy lavitr’ezaka, anisan’izany ny fanaovana « recyclage de formation » ny volana jolay 2022, ny fametrahana ho andro fitadiavam-bolan’ny OJM, ny 3 may.
Ny hariva dia lanonam-piaraha-mifaly ho an’ny fianakaviam-ben’ny OJM Itasy.
TALATA 03 may, amin’ny folo ora maraina : dinika arahana adihevitra, miaraka amin’ny vahiny nasaina, momba ny lohahevitra nomen’ny UNESCO,  » Le journalisme sous l’emprise du numérique ».
Ny tolakandro, ny fampitana mivantana amin’ny onjampeo tsirairay avy ny « MIVANTANA #1 » ao amin’ny Hôtel Carlton.
Nomena tamin’ny fomba ofisialy tamin’io fotoana io ihany koa ny karatry ny mpanao gazety niarahan’ny VP OJM Itasy sy ny DRCC Itasy. Araho ny sary manambara izany.
[aigpl-gallery id= »14382″]
Loharano : RAZANAMPARANY Noely Norbert, VP OJM Itasy