Ny asa fanaovan-gazety sy ny miralenta
Mpanao gazety manodidina ny 20, avy amin’ny Faritra sivy : Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Ihorombe, Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Atsinanana, Anôsy, Androy, Atsimo Andrefana no manamafy ny fahaiza-manao momba ny fandrakofana ny vaovao manome lanja ny miralenta, ny 25-27 aprily 2022, ao Fianarantsoa.
Fiaraha-miasan’ny EISA, Institut Électoral pour une Démocratie durable en Afrique sy ny Minisiteran’ny Mponina sy ny Fiahiana sosialy ary ny Fampivoarana ny vehivavy.
[aigpl-gallery id= »14399″]
Tanjona ny hahatonga ny mpanao gazety ho mpisehatra mivantana sy mavitrika, manova ny fomba fijery ny toerana sy ny feon’ny vehivavy eo amin’ny fiarahamonina.