Category Archives: Revue de presse

 

Nahazo fanasàna, nandray anjara tamin’ny adihevitra nokarakarain’ireo mpianatry ny SAMIS ESIC, manodidina ny fivoaran’ny serasera, ny asa fanaovan-gazety sy ny politika, Rasoloarison H. Monica, filohan’ny OJM, ny alakamisy 11 martsa 2022. Vahiny nasaina, niaraka nandray anjara taminy Razarapiera Fidèle, solombavambahoakan’i Madagasikara, voafidy tao Ambatondrazaka sy Gascar Fenosoa, mpanentana ny « L’invité du jour », ao amin’ny Real’TV.

DEBAT : LA PRESIDENTE DE L’OJM INVITEE DE KAFE-IN. Les étudiants du département TV de SAMIS ESIC invitent Monica H. Rasoloarison, présidente de l’OJM, à débattre sur la communication, le journalisme et la politique, sur le plateau de Kafé-In, Let’s talk, de ESIC TV, avec Fidèle Razarapiera, député de Madagascar, élu à Ambatondrazaka et Gascar Fenosoa, modérateur de « L’invité du jour » de Real’TV, jeudi 11 mars 2022.

[aigpl-gallery id= »14129″]

Araka ny efa nampahafantarina : nanomboka androany 16 febroary ny fizarana ny karatra maha matihanina ny mpanao gazety.
– Zato teo ho eo isika no tonga. Mankasitraka antsika tonga maro naka izany sahady, tamin’izao andro voalohany izao. Maneho ny maha-zava-dehibe ny fananana ny karatra, izay isitrahantsika ny zo voalazan’ny lalàna sy ireo fifanekena iraisam-pirenena momba ny asa fanaovan-gazety.