Monthly Archives: octobre 2022

FODIAMANDRY
Very namana iray indray ny fianakaviamben’ny mpanao gazety. Nodimandry ny alatsinainy 24 oktobra ny mpanao gazety RAZA Charles, rehefa notsaboina noho ny aretim-po nahazo azy, andro vitsivitsy izay. Izy izay sady filoha lefitra tompon-toeran’ny OJM, faritra Atsimo Andrefana.
Anisan’ireo zoky eo amin’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety. Nanoratra tao amin’ny Midi Madagascar. « Masiatsiaka fanoratra manoloana ny tsy rariny. Mpanitsy sy mpampianatra ». Ireo no nahafantarana azy.
Alevina ny talata 25 oktobra 2022 ao amin’ny fasan’ny Silamo ao Toliara ny nofo mangatsiakany, ao aorian’ny lamesa ny maraina.
Miombon’alahelo sy mirary fiononana ho an’ny fianakaviany sy ireo akaiky azy, ny biraon’ny OJM Atsimo Andrefana, ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara.
[aigpl-gallery id= »15572″]

Herintaona ny namoahana ofisialy ny naha-voafidy ny birao mitantana ny OJM ho amin’ny efatra taona, fe-potoam-piasana faritan’ny lalàna.

🎙️Tatitry ny asa vita :

👉 Famoahana ny karatra maha matihanina miisa 1900

👉 Famoahana ny « autocollants de presse »

👉 Fampiroboroboana ny sera ara-teknolojia hampiasaina eto anivon’ny OJM; ny fananganana ny siteweb, fampiasana ny tambazotran-tserasera ( Facebook, Twitter, Youtube)

👉 Fanamarihana ny 3 mey, isam-paritra sy ny « MIVANTANA 1 » tetsy amin’ny Carlton

👉 Fandraisana anjara tamin’ireo hetsika fampirantiana maro momba ny serasera

👉 Fanaovana adidy sy fiaraha-miombona tamin’ireo namana mpanao gazety, tojo ny sarotra

👉 Fijoroana marolafy nanoloana ny tsindry sy ny herisetra ary ireo raharaha nahavoasaringotra mpanao gazety teny anivon’ny Fitsarana

👉 Fananana ny birao fiasan’ny OJM etsy Ambohidahy sy any amin’ny faritra

👉 Fanetsiketsehana ireo fikambanan’ny mpanao gazety

🎙️Mbola be ny asa miandry, mankasitraka sy mankahery ireo mpiara-miasa rehetra ao anatin’ny biraon’ny OJM manerana ny Nosy, miaraka miombona, miantsoroka ny adidy sy ny andraikitra. Momba ny asa fananganana ny tsangan’asan’ny mpanao gazety ny fototr’asa ilofosana ankehitriny.

🎙️Manantitra ny fankasitrahana feno ho an’ireo mpanohana sy mpiara-miombon’antoka rehetra amin’ny OJM, tao anatin’izay herintaona izay ary miandrandra hatrany ny fiaraha-miasa amin’ny rehetra, indrindra fa isika mpanao gazety, ho amin’ny fanatrarana ny vina ‘Mpanao gazety matihanina, miray hina ho amin’ny fampandrosoana », ho amin’ny fanatanterahana ny drafitra stratejika momba izany