08 martsa 2022 : iray amin’ireo andro iraisampirenena 87 nankatoavin’ny Vondron’ny Firenena Mikambana. Andro Iraisampirenena ho an’ny Vehivavy, andiany faha-45.
Arahabaina ny vehivavy rehetra mpiara-miasa nahatratra izao fankalazana ny miralenta izao.
Région Analanjirofo Les agents de l’audiovisuel, parties prenantes dans la lutte contre la malnutrition
Niara nivory tamin’ireo komity mpanomana ny 8 Martsa ny mpanao gazety avy eto Manakara, nandray ireo toromarika sy tsara ho fantatra homena ny mpiara-belona .
Voazara hatramin’ny 80% ny karatry ny mpanao gazety Analamanga. Nanomboka ny fandefasana ny any amin’ny faritra hafa.
Tato anatin’ny tapa-bolana, am-polony ireo antontan-taratasy fangatahana vaovao ny karatra, voaray tetsy amin’ny foiben-toeran’ny OJM Ambohidahy.
NIFAMPIARAHABA SY NIFAMPIRARY SOA NOHO NY FAHATRATRARANA NY TAONA VAOVAO IZAHAY AO ANATIN’NY FIANAKAVIAMBEN’ NY MPANAO GAZETY SY MPIKIRAKIRA SERASERA ETO ANTSIRABE NY 11/02/2022, LANONANA NATAO TAO AMIN’NY TIA VAHINY ARY NAFANAIN’NY LAMAKO MOZIKA.
ITASY : Fihaonam-be ny alahady teo.
Nihaona ny 20 febroary teo, tao Ambatomirahavavy, distrika Arivonimamo, faritra Itasy ireo mpanao gazety sy mpamokatra fandaharana amin’ny onjampeo ao Itasy.
– Nampahafantarina ny vina sy ireo tanjona manokana ho an’ny efa-taona, nofaritan’ny biraon’ny OJM
– Nifampizarana ny traikefa haha-matihanina hatrany ny asa
– Nikaonan-doha ny hanamarihana ny 3 mey : andro maneran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety.
Misy onjampeo enina amin’izao fotoana izao ao Itasy: Radio RTS (28taona) ao Soavinandriana. Radio Feon’Itasy na Radio Fy (22 taona) Miarinarivo. Radio AMI (5 taona) sampan’ny Radio Don Bosco eto Miarinarivo. Radio Solanga ao Ambatomirahavavy. Radio Fivoarana ao Imerintsiatosika. Izy roa ireo izay vao nitsangana herintaona latsaka izay. Ary ny RNM sy TVM.
AMBATOSORATRA ALAOTRA : Niharan’ny herisetra ny mpanao gazety. Manameloka izany ny OJM.
Nihaona tamin’ireo mpanao gazety avy amin’ny distrika miisa 4 izay mandrafitra ny faritra Amoron’i Mania Ramatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina androany teo amin’ny efitrano malalaky ny kaominina andrenivohitr’Ambositra.
Nandray anjara mavitrika tamin’ny Tagnamaro,fambolen-kazo tao Tanandava RN2 ny Fikambanan’ny Viavy Mpagnano Gazety eto Toamasina Androany.