


MPPSPF/OJM


FODIAMANDRY
Misaona ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety.

Herintaona ny namoahana ofisialy ny naha-voafidy ny birao mitantana ny OJM ho amin’ny efatra taona, fe-potoam-piasana faritan’ny lalàna.
Tatitry ny asa vita :
Famoahana ny karatra maha matihanina miisa 1900
Famoahana ny « autocollants de presse »
Fampiroboroboana ny sera ara-teknolojia hampiasaina eto anivon’ny OJM; ny fananganana ny siteweb, fampiasana ny tambazotran-tserasera ( Facebook, Twitter, Youtube)
Fanamarihana ny 3 mey, isam-paritra sy ny « MIVANTANA 1 » tetsy amin’ny Carlton
Fandraisana anjara tamin’ireo hetsika fampirantiana maro momba ny serasera
Fanaovana adidy sy fiaraha-miombona tamin’ireo namana mpanao gazety, tojo ny sarotra
Fijoroana marolafy nanoloana ny tsindry sy ny herisetra ary ireo raharaha nahavoasaringotra mpanao gazety teny anivon’ny Fitsarana
Fananana ny birao fiasan’ny OJM etsy Ambohidahy sy any amin’ny faritra
Fanetsiketsehana ireo fikambanan’ny mpanao gazety
Mbola be ny asa miandry, mankasitraka sy mankahery ireo mpiara-miasa rehetra ao anatin’ny biraon’ny OJM manerana ny Nosy, miaraka miombona, miantsoroka ny adidy sy ny andraikitra. Momba ny asa fananganana ny tsangan’asan’ny mpanao gazety ny fototr’asa ilofosana ankehitriny.
Manantitra ny fankasitrahana feno ho an’ireo mpanohana sy mpiara-miombon’antoka rehetra amin’ny OJM, tao anatin’izay herintaona izay ary miandrandra hatrany ny fiaraha-miasa amin’ny rehetra, indrindra fa isika mpanao gazety, ho amin’ny fanatrarana ny vina ‘Mpanao gazety matihanina, miray hina ho amin’ny fampandrosoana », ho amin’ny fanatanterahana ny drafitra stratejika momba izany

FANAMBARANA






Ato no ahitanao ny lisitr’ireo Mpanao Gazety hisitraka ny Karatra maha matianina andiany FAHAROA