Voazara hatramin’ny 80% ny karatry ny mpanao gazety Analamanga. Nanomboka ny fandefasana ny any amin’ny faritra hafa.
Tato anatin’ny tapa-bolana, am-polony ireo antontan-taratasy fangatahana vaovao ny karatra, voaray tetsy amin’ny foiben-toeran’ny OJM Ambohidahy.
Les anciennes cartes de presse sont caduques cette année 2022, mais, déjà la nouvelle équipe OJM a crée de nouvelles cartes avec, beaucoup de sécurité, contrôlée par QR Code, pour éloigner toute falsification ou copie, et cette trouvaille est contrôlable sur site web « www.ojm.mg »
Araka ny efa nampahafantarina : nanomboka androany 16 febroary ny fizarana ny karatra maha matihanina ny mpanao gazety.
– Zato teo ho eo isika no tonga. Mankasitraka antsika tonga maro naka izany sahady, tamin’izao andro voalohany izao. Maneho ny maha-zava-dehibe ny fananana ny karatra, izay isitrahantsika ny zo voalazan’ny lalàna sy ireo fifanekena iraisam-pirenena momba ny asa fanaovan-gazety.
Maro no nandray anjara tamin’ny antso tolo-tanana, fitia tsy mba hetra nataon’ny biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara, ho fanampiana ireo mpanao gazety niharam-boina, rava trano any amin’ireo faritra nolalovan’ny rivo-doza Batsirai.