Ilain’ny mpanao gazety ny fananana torohay mikasika ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza mialoha ny hanoratany sy mialoha ny hampahafantarany vaovao ho an’ny vahoaka.
Mpanao gazety 35 mianadahy avy amin’ireo haino vaky jery miankina sy tsy miankina amin’ny Fanjakana tato amin’ny Faritra Bongolava no nisitraka ny fahazoana ny karatra maha matihanina eo amin’izay sehatry ny asa fanaovan-gazety izay.
Fizarana karatra ho an’ny mpanao gazety
Mpanao gazety 99 no nahazo karatra maha-matianina eto amin’ny faritra Alaotra Mangoro. Ny zoma 11 martsa 2022 no nizarana izany teto amin’ny « espace ZARY Tanamandroso » ho an’ny eto Ambatondrazaka sy Amparafaravola ary Andilamena, izay notontosain’ny biraon’ny holafitry ny mpanao gazety eto amin’ny faritra niaraka tamin’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina.
Nahazo fanasàna, nandray anjara tamin’ny adihevitra nokarakarain’ireo mpianatry ny SAMIS ESIC, manodidina ny fivoaran’ny serasera, ny asa fanaovan-gazety sy ny politika, Rasoloarison H. Monica, filohan’ny OJM, ny alakamisy 11 martsa 2022. Vahiny nasaina, niaraka nandray anjara taminy Razarapiera Fidèle, solombavambahoakan’i Madagasikara, voafidy tao Ambatondrazaka sy Gascar Fenosoa, mpanentana ny « L’invité du jour », ao amin’ny Real’TV.
DEBAT : LA PRESIDENTE DE L’OJM INVITEE DE KAFE-IN. Les étudiants du département TV de SAMIS ESIC invitent Monica H. Rasoloarison, présidente de l’OJM, à débattre sur la communication, le journalisme et la politique, sur le plateau de Kafé-In, Let’s talk, de ESIC TV, avec Fidèle Razarapiera, député de Madagascar, élu à Ambatondrazaka et Gascar Fenosoa, modérateur de « L’invité du jour » de Real’TV, jeudi 11 mars 2022.
[aigpl-gallery id= »14129″]
ANDRO IRAISAMPIRENENA HO AN’NY ZON’NY VEHIVAVY SY NY ASA FANAOVAN-GAZETY Nahazo fanasàna, anisan’ireo nanatrika ny 8 martsa, Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Zon’ny Vehivavy, nandritra ny fanamarihana ofisialy, tany Vakinankaratra, ny OJM.
Région Analanjirofo Les agents de l’audiovisuel, parties prenantes dans la lutte contre la malnutrition