Category Archives: Événements

ITASY : Fihaonam-be ny alahady teo.
Nihaona ny 20 febroary teo, tao Ambatomirahavavy, distrika Arivonimamo, faritra Itasy ireo mpanao gazety sy mpamokatra fandaharana amin’ny onjampeo ao Itasy.
– Nampahafantarina ny vina sy ireo tanjona manokana ho an’ny efa-taona, nofaritan’ny biraon’ny OJM
– Nifampizarana ny traikefa haha-matihanina hatrany ny asa
– Nikaonan-doha ny hanamarihana ny 3 mey : andro maneran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety.
Misy onjampeo enina amin’izao fotoana izao ao Itasy: Radio RTS (28taona) ao Soavinandriana. Radio Feon’Itasy na Radio Fy (22 taona) Miarinarivo. Radio AMI (5 taona) sampan’ny Radio Don Bosco eto Miarinarivo. Radio Solanga ao Ambatomirahavavy. Radio Fivoarana ao Imerintsiatosika. Izy roa ireo izay vao nitsangana herintaona latsaka izay. Ary ny RNM sy TVM.

Nandray anjara mavitrika tamin’ny Tagnamaron’ny fambolen-kazo ireo mpanao gazety tany amin’ny faritra Boeny, notarihin’ny Biraon’ny Holafitra any an-toerana, ny sabotsy 29 janoary teo, tao Marohogo.
Tsiahivina fa tsy ny tao Boeny ihany no nahitana izay fahavitrihan’ny mpanao gazety nanao hetsika Tagnamaro izay, fa saika nanerana ny Nosy.
Nosantarina ny herinandro teo ihany koa ny fampiasana ny efitrano vaovao hiasan’ny biraon’ny OJM, an’ny faritra Boeny, sy ny efitrano fivoriana ho an’ny mpanao gazety, eo anivon’ny Tranoben’ny Serasera.
[aigpl-gallery id= »10911″]
« Fambolen-kazo fanarenana loharano, antoky ny fiveloman’ny mponina » lohahevitry ny taom-pambolen-kazo 2022.
Toy ny olom-pirenena rehetra dia manatanteraka ny adidiny ho an’ny firenena ny mpanao gazety. Maro izy ireo no mandray anjara feno amin’ireo hetsika fambolen-kazo isan-karazany any amin’ny faritra maro manerana ny Nosy.
Mankasitraka feno ary mandrisika izany ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara izay nametraka ho anisany vinany ny fandraisana andraikitra eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana maharitra.
Hankasitrahana feno ihany koa ireo fikambanan’ny mpanao gazety samihafa izay misehatra mavitrika amin’izany fambolen-kazo izany
[aigpl-gallery id= »10918″]
Tafiditra anatin’ny fandaharanasan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) amin’ity taona 2022 ity ny fanofanana mpanao gazety amin’ny fikirakirana ny vaovao amin’ny tontolon’ny fifidianana, izay iarahana amin’ny fiarahamonim-pirenena, hoy ny filohan’ny CENI Dama Arsène Andrianarisedo.
Tontosa soamantsara teny amin’ny Lapan’ny Tanana Analakely, ny andron’ny 08 desambra 2021, ny fampirantiana nokarakarain’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny Zon’olombelona (CNIDH), izay nandraisan’ny Holafitry ny Mpanao gazety (OJM) sy ireo mpisehatra amin’ny fampanajana ny Zon’olombelona anjara.
1 8 9 10