Ato no ahitanao ny lisitr’ireo Mpanao Gazety hisitraka ny Karatra maha matianina andiany FAHAROA
ODIAMANDRY
Amin’alahelo lehibe no ampandrenesana antsika fianakaviamben’ny mpanao gazety fa banga iray isika.
Nodimandry ny 28 jolay 2022 tamin’ny 12 Ora alina RAZAKASON Jenny.
Manoloana ny fandrahonana hitifitra amin’ny basy sy fanimbana ny fitaovana fiasana izay nihatra tamin’ny mpanao gazety iray tao amin’ny tetezana Kalandy, Distrikan’i Mandritsara, faritra Sofia, ny alahady 24 jolay 2022 dia manameloka ny endrika herisetra rehetra atao amin’ny mpanao gazety, eo am-panatanterahana ny asany ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara.
Mampahatsiahy ireto andinin-dalàna ao amin’ny Lalàna 2020-006 mifehy ny Serasera amin’ny haino vaky jery, manaraka ireto.
Misaona ny tontolon’ny fanaovan-gazety eto Madagasikara. Nodimandry omaly hariva teo amin’ny faha 88 taonany Rahajarizafy Rémi, mpanao gazety zokiolona, filoham-boninahitry ny CJD ary mpahay tantara, fantatra amin’ny solon’anarana Dami na koa Ralehilahy.
Nikaroka sy nanoratra boky momba ny mpanjaka Radama, nsy ny raharaha 1947.
Tao anatin’ny famitana iraka momba ny asany, niarahany tamin’ny Alliance Voahary Gasy, tany Antalaha, no nanararaotra nihaona tamin’ireo mpanao gazety any an-toerana, Monica RASOLOARISON, filohan’ny OJM, ny talata 19 jolay 2022.
FODIAMANDRY
Banga ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety.
Nodimandry ny harivan’ny alahady 17 jolay teo amin’ny faha 37 taonany i GARRY, mpanao gazetin’ny radio Kaleta Amboasary Atsimo. RANDRIANOME Marth Angelin no tena anarany.
Tohin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaoperativam-pitaterana « zone régionale » ao anatin’ny faritra Menabe sy ny mpanao gazety any an-toerana, tsy mandoa saran-dalana ireo mpanao gazety raha hanatontosa ny asany, ao anatin’ireo toerana lalovan’ny taksiborosy mpitatitra voakasik’izany, dia ny an’ny kaoperativa FIFIMO sy KOFIME tarihin’Andriamatoa Bora sy Asgara.
Nodimandry ny 12 jolay 2022 alina, ny mpanao gazety sady mpanentana fandaharana Ony RAMBELO.
FODIAMANDRY
Amin’alahelo lehibe no ampandrenesana ny fodiamandrin’ny mpanao gazety, Roger Sam Wei Tak, « correspondant »n’ny RDB taloha tao amin’ny faritra Atsinanana, sady mpanao gazety ao amin’ny Info média.
Nodimandry tao Antananarivo izy, ny 6 jolay 2022.
Ho tonga any Toamasina ny alakamisy 7 jolay 2022 ny razana.
Miombon’alahelo sy mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ny mpiara-miasa aminy ny fianakaviamben’ny mpanao gazety, eto amin’ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara.
Miantso sy manaitra ireo tompon’andraikitra rehetra voakasik’izao tranga manaraka izao ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara, mba handray ny andraikitra manandrify azy ireo avy.